<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>550</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo ô, ny tany maina
 No itoerako ;
 Midina re, ry Andon'aina
 Ho ao anatiko.

[V2]
 Tsy aloka malaky lasa
 No angatahiko,
 Fa hery monina hiasa
 Sy hanavao ny fo.

[V3]
 Ny afonao ampandreseo
 Ny afo'nofoko ;
 Ny sitrakao anie hekeko
 Ho tena sitrako.

[V4]
 He, tena zavatra ilaiko
 Ny hohavaozinao ;
 Ny ainao asoloy ny aiko
 Ho velon-ko Anao.</lyrics>
<title>Ry Tompo o, ny tany maina FFPM550</title>
</song>